St Michel

FANKALAZANA NY FETIN'NY KOLEJY MASINA MISELY TAOM-PIANARANA 2023-2024.

Tontosa ny Alakamisy 09 Mai 2024 hatramin’ny Alahady 12 Mai lasa teo ny Fankalazana ny fetin’ny kolejy Masina Misely.
Nosokafana tamin’ny Sorona Masina lehibe izany ary narahana fanentanana maro samihafa.
Nisy ny fihaonana ara-panatanjahatena, ny Stand maro samihafa, fampiratiana ireo asa tànan’ny ankizy, ary ny kilalao maro isankarazany.
Izany rehetra izany dia teo ambany fitantanan’ny Rektoran’ ny Kolejy Masina Misely, Mompera RAKOTOZAFIMAHERY Christophe Alfred sj sy ireo STAFF rehetra eto anivon’ny kolejy.