St Michel

Ny Asabotsy 07 Septambra 2024 no nanatanterahana ny fampiofanana ireo fianakaviamben’ny kolejy eto amin’ny St michel amparibe, izay ahitana ireo Mpiasa sy mpandraraharaha ary mpampianatra, sy ireo zezoita, izay notarihan’i Rektoran’ny kolejy RAKOTOZAFIMAHERY Christophe Alfred sj.

Toy izao ny fandaharam-potoana tao anatin’izany :

         Fampahafantarana ireo mpiasa, mpampianatra sy relijiozy vaovao;

         Fampahafantarana ny CPO(Corps de Protection des Mineurs et des Personnes Vulnérables) ;

         FMK(Fikambanan’ny Mpanabe eto amin’ny Kolejy) ;

         Lamesa ;

         Fanolorana ny fankasitrahana ho an’ireo mpanabe handeha hisotro ronono avy amin’ny kolejy sy ireo Maintimolaly    ;

         Fiaraha-misakafo.

 

« KOLEJY MIARA-DIA, MIDERA – MANAJA – MANOMPO », io no loha-hevitra ho entina ho an’ny taom-pianarana vaovao.