FIFAMPIARAHABANA 2026, ST MICHEL, FMJ sy FMK.
Notanterahina ny Asabotsy 31 Janoary 2026 ny fihaonan’ny Père Provincial, tamin’ny fianakaviambe
eto amin’ny Kolejy Masina Misely, ahitana ireo Zezoita sy fikambanan’ny Mpiasa sy Mpandraharaha ary solontena avy amin’ny conseil des Parents.
Nizara efatra lehibe ny fandaharam-potoana tamizany ka ny voalohany dia ny nizaran’ny P. Provincial ireo foto-kevitra ijoroan’ny zezoita sy ireo toetra ary fahazarana tokony hananana ahafahana manabe araka ny tokony ho izy ny mpianatra. Nitohy tamin’ny Lamesa fisaorana ,nahatratrarana ny taona vaovao izay notarihin’i P. Provincial. Taorian’izany ny fifidianana ny filohan’ny FMK (Fikambanan’ny Mpiasa eto @ Kolejy), ary nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo sy korana.
Fomba fanao isan-taona izao ahafahana mapahatsiahy ny foto-kevitra ijoroan’ny Zezoita, ary koa fifampiarahabana nahatratrarana ny taona vaovao.





