VOHITRAIVO (Second Cycle Général)
CONSCIENCE - COMPETENCE - COMPASSION - COMMITMENT
- Ny niorenany
- Ireo Père Directeurs nifandimby
Ny Fokontany Vohitraivo dia fampianarana ambaratonga faharoa, fampianarana ankapobeny (enseignement général). Misy ambaratonga telo: Ny Kilasy faharoa: Misy kilasy dimy (2nde 1-2-3-4-5) izay andraisana ireo mpianatra avy ao amin’ny Fokontany Anketsa sy ireo mpianatra voaray amin’ny fifaninana. Ny Kilasy voalohany: Misy kilasy dimy : 1ère 1-2-3-4-5. Mbola tsy mizara ho 1èreL sy 1èreS. Amin’ny fanadinana fahadimy sy fahenina ny mpianatra vao misafidy ny L na S ary isaina mifanaraka amin’izany ny naotiny. Ny Kilasy famaranana: kilasy literera 2 (TL1-2) sy kilasy siantifika 3 (TS1-2-3)
- Kilasy faharoa: 249 (133 lahy; 116 vavy)
- Kilasy voalohany: 249 (132 lahy; 117vavy)
- Kilasy famaranana: 247 (132 lahy; 115 vavy
Miisa 49 ireo mpampianatra sy mpanabe.
- Père Directeur: P. ZAKAVELO José Christophe, sj
- Adjoint au P. Directeur: Fr LALATIANA Jean Alain, sj (régent)
- Père Spirituel : P. RANDRIANANTENAINA Marcellin Norbert, sj
- Mpampianatra : 44
- Sekretera : 1
- Mpiandraikitra ny fanadiovana : 1
Fidirana :
Maraina : 6 ora 50 min. (alatsinainy : 6 ora 40 min.)
Tolakandro : 1 ora 50 min.
Firavana :
Antoandro : 12 ora
Hariva : 5 ora
Tsy ianarana ny alarobia tolakandro sy ny sabotsy raha tsy misy hetsika manokana
- ANY AN-DAKILASY :
Anisan’ny tarigetra ny fampandraisana anjara ny mpianatra; ka anisan’ny mampiavaka ny fampianarana ny fanaovana fikarohana sy famelabelaran-kevitra ataon’ny mpianatra (recherches et exposés). Ankoatra izay dia ny travaux pratiques isan-karazany. Misy ireo taranja atao manokana hatrany amin’ny kilasy faharoa : Economie, Biologie appliquée, Philosophie, Culture générale (Français), Culture générale (Malagasy)
- DIABE FIBEAZANA :
Ny kilasy faharoa dia manao ny fivoahana (sortie) indray andro isan-taona. Tanjona amin’izany fifankafantarana misimisy kokoa, fivelarana ivelan’ny faritry ny sekoly ary fitsidihan-toerana samihafa. Ny kilasy voalohany kosa dia manao dia fibeazana (voyage d’études) mandritra ny herinandro. Tanjona: fanabeazana amin’ny fiaraha-miaina, fanamafisana fahalalana rantovina aty an-tsekoly amin’ny alalan’ny fitsidihana toeram-piofanana ara-tsiansa, ny valan-javaboary, ireo toerana manan-tantara sy ireo toerana mirakitra ny vakoka Malagasy, ireo orinasa isan-karazany, sns…
- HETSIKA ARA-PANAHY :
Sorona Masina isan-kerinandro : kilasy faharoa (talata); kilasy voalohany (alarobia); ary kilasy famaranana (zoma). Ankoatra ny mpianatra dia anasana ny ray aman-dreny izay maniry sy afaka, indrindra ny filankevitry ny ray aman-dreny. Mandritra ny Sorona Masina isan-kerinandro no anaovan’ny Fokontany ny famangiana ny mpianatra nidonam-pahoriana sy ny fianakaviany ka ny solontenan’ny mpampianatra sy ny kilasy rehetra ary ny filankevitry ny ray aman-dreny no mifanotrona amin’izany.
Fihatahana masina sy matsom-panahy :
- Kilasy faharoa sy kilasy voalohany: fihatahana masina isan-taona mandritra ny vanim-potoan’ny karemy.
- Kilasy famaranana: manao matsom-panahy (Exercices spirituels) mandritra ny hateloana.
- Fihatahana masina ho an’ny ray aman-dreny
- Fihatahana masina ho an’ny mpampianatra
FIKAMBANANA - HETSIKA - SAMPAN-DRAHARAHA
4) FIKAMBANANA MASINA :
Ny EKA, ny TAMPIKRI, ny ANTILY sy ny FANILO ary ny ANTOKO MPIHIRA. Manao fivoriana isan-kerinandro izy ireo.
5) HETSIKA ARA-PANATANJAHANTENA (ankoatra ireo clubs de sport sy ny scojem izay andraisan’ny mpianatra anjara): – « journée de l’athlétisme »: fifaninana ara-panatanjahan-tena sy fialam-bolin’ny mpianatra izay atao alohan’ny fialan-tsasatry ny Paka. Izany dia iarahana amin’ny Fokontany roa hafa: Fokontany Anketsa sy Vohijoky. – Sports interclasses: atao mandritra ny taom-pianarana isaky ny hariva amin’ny 4 ora 30 min.– 5 ora – Ankoatra ireo hetsika eo anivon’ny kolejy, dia misy ireo fandraisana anjaran’ny mpianatra any ivelany toy ny sports interlycéens, ny hetsika eto an-drenivohitra ihaonan’ny samy tanora, sns.
6) HETSIKA ARA-KOLONTSAINA :
– « Fety Vohitraivo »: fifaninana ara-koltoraly ataon’ny kilasy rehetra izay fanao isan-taona. – « Groupe de Théâtre » – « Journée culturelle »: iarahan’ny fokontany manontolo (ny mpianatra, ny mpampianatra, ny filankevitry ny ray aman-dreny ary ny mpitondra) hanamafisana indrindra ny fiombonana sy iarahana miala voly. – « Andron’ny kolontsaina malagasy »: atao manodidina ny fetim-pirenena, hanehoana indrindra ny maha Malagasy: fitafy nentim-paharazana sy zava-kanto ary sakafo malagasy.
7) HETSIKA FAMPIOFANANA :
– « Journée d’orientation »: forum des métiers sy forum des institutions supérieures. Izany dia andraisan’ireo maintimolaly anjara. – Fanasana vahiny hanao fampirantiana sy famelaberan-kevitra mifanaraka amin’ny fianarana atao sy manaraka ny zava-misy iainana ankehitriny. – Fampifandraisana ny mpianatra amin’ireo olo-manga (mpanoratra, mpanakanto, mpitondra ara-politika, sns) hanomanana ny tanora handray andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny fampiasana ny fahalalana hanasoavana ny hafa.
8) HETSIKA ARA-TSOSIALY :
Fanentanana ny mpianatra hitsidika toerana sy akany samihafa ahitana sokajim-piarahamonina samihafa, toy ny akany mitaiza kamboty, sns, ary hanao asa sosialy sy fanohanana araka izay vitany.
9) NY SAMPANDRAHARANA IANDRAIKETAN’NY MPIANATRA (Services des Elèves) :
Sehatra manokana ikatrohan’ny mpianatra, ibeazany sy ifanabeazany. Miisa folo ny mpikambana manokana isaky ny sampandraharaha ary misy ny mpandrindra iombonana. Ny mpianatra hafa rehetra kosa dia afaka miantsoroka ao amin’izay sampandraharaha safidiny manokana.
SAMPANDRAHARAHA IANDRAIKETAN’NY MPIANATRA EO ANIVON’NY KOLEJY (SERVICES DES ELEVES) Coordinateur des Services :
RAMANANDRIANA Rova Miarinjaka (TL1) – 1. Sampandraharaha miahy ny fiainana ara-panahy (Service de la Vie spirituelle) – 2. Sampandraharaha miahy ny fanabeazana (Service de l’Education) – 3. Sampandraharaha momba ny angovo (Service de l’Energie) – 4. Sampandraharaha mikajy ny tontolo iainana (Service de l’Environnement) – 5. Sampandraharaha miandraikitra ny serasera (Service la Communication) – 6. Sampandraharaha miaro ny rariny sy ny hitsiny (Service de la Justice) – 7. Sampandraharaha misahana ny fiarovana (Service de la Sécurité) – 8. Sampandraharaha momba ny fitaterana (Service des Transports) – 9. Sampandraharaha misahana ny ara-bola (Service des Finances) – 10. Sampandraharaha miahy ny mponina (Service de la Population) – 11. Sampandraharaha miahy ny fahasalamana (Service de la Santé) – 12. Sampandraharaha miandraikitra ny fanatanjahantena (Service des Sports) 13. Sampandraharaha momba ny Voliaina sy ny Zavakanto (Service de la Culture)
VONDRONA - FILAN-KEVITRY NY RAY AMAN-DRENY
10) IREO VONDRONA SAMIHAFA :
Club scientifique, Cercle des poètes et des écrivains
11) NY FILANKEVITRY NY RAY AMAN-DRENY :
Manolo-tsaina manokana ny mpitantana, miara-mamolavola sy manatanteraka ireo vina fanatsarana ny fanabeazana. Miisa 84 ny mpikambana nisoratra anarana. Anisan’ireo ny ray mpiahy manokana ny tarika kilasy famaranana (parrain de promotion Terminale). *Ny komitin’ny filankevitry ny Ray aman-dreny: Filoha: Atoa RANDRIANARIJAONA Théophile Filoha lefitra 1: Atoa RAMANITRERA Thierry Filoha lefitra 2 : Atoa RAZAFINDRAKOTOARINALA Solonirina Mpitam-bola: Atoa RANDRIAMAMONJY Philippe Atoa RAZAFINDRABE John Alberto Bam Atoa ANDRIANANTENAINA Raphaël Mpitan-tsoratra: Rtoa RATSIMBAZAFY Rondro Rtoa RAKOTOVAO Hanta Ireo vaomiera iandraiketan’ny Filan-kevitry ny ray aman-dreny :
1. COMMISSION SPORT – CULTURE – LOISIR Chef de file : Rtoa Nanie RAKOTONDRASANJY
2. COMMISSION EDUCATION Chef de file : Rtoa Voahirana RAMALA
3. COMMISSION SECURITE et JUSTICE Chef de file : Atoa Jean Joseph RAJOELINA
4. COMMISSION ENERGIE et ENVIRONNEMENT Chef de file : Atoa Hajasoa RANDRIANARIVELO
5. COMMISSION SPIRITUEL Chef de file : Atoa Dieudonné RAKOTONIRINA
6. COMMISSSION SANTE et POPULATION Chef de file : Rtoa Tseheno RALAIALITIANA
7. COMMISSION FINANCE et TRANSPORT Chef de file: Atoa Philippe RANDRIAMAMONJY
8. COMMISSION COMMUNICATION Chef de file: Rtoa Hanta RAKOTOVAO
12) ANARAN’IREO TARIKA KILASY FAMARANANA (Noms des promotions)
NOMS DES PROMOTIONS Années scolaires Vohitraivo 1979 TOKY 1980 MANDA 1981 EZAKA 1982 …………………. 1983 ONJA 1984 SANDRATRA 1985 MAHEFA 1986 DIAMONDRA 1987 FANASINA 1988 CENTENAIRE 88 1989 Victoire RASOAMANARIVO 1990 TSY LAVO 1991 IGNACE DE LOYOLA 1992 ATRIKA 1993 VONONA 1994 SANDRATRA 1995 AINA 1996 KINTANA 1997 KIADY 1998 FANILO 1999 SAHY 2000 MIJORO 2001 LAFATRA 2002 TARATRA 2003 ANDRAINA 2004 AMBOARA 2005 RARY 2006 ILOAINA 2007 SOAMIHARY 2008 HASINJOANY 2009 HARISANDRATRA 2010 NJAMANOLO 2011 HAJARY 2012 AVATSY 2013 ANDRARANJA 2014 ROHONDROHO 2015 IRA 2016 ROHY 2017 RAITRA 2018 VOARA
13) VINA SY FANAMBY :
Ny Fokontany Vohitraivo dia saropiaro voalohany indrindra amin’ny famolavolana ny tanora ho olon’ny finoana, olon’ny fifandraisana amin’Andriamanitra, olon’ny Fampiasam-panahy nolovaina tamin’i Md Ignace de Loyola. Manampy amin’izany ny ezaka amin’ny fanatsarana ny tontolo iainana anaty sy ivelany hanamafy ny fahaizana mibanjina sy hampirindra kokoa ny fiainan’ny tanora ara-batana, ara-psikolojika, ara-pitiavana, ara-tsaina ary ara-panahy, ka hahatonga azy ho olona feno (Cohérence).
Anisan’ny vaindohan-draharaha ny fampandraisana andraikitra ny tanora mifanaraka amin’ny taonany sy ny adidy takian’ny fiarahamonina aminy, ny famolavolana tanora tsy hatahotaho-poana na ho olon’ny fo fotsiny fa ho olon’ny fandanjalanjana sy ho olon’ny fandinihana indrindra koa, hahay hijery ny zava-misy ary handray an-tanana ny fiainany sy ny ho aviny an-tsitrapo.
Tanjona lehibe ny hisian’ny fifandraisana sy ny fihavanana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, hiaraka handray andraikitra sy hitady ny tsaratsara kokoa hatrany hifanaraka amin’ny tena fitomboana marina, ka « atrehi-mahefa, iamboho-mahavita ».
Ezaka mifameno amin’izany ny fanatsarana sy ny fifehezana ny fitaovana manaraka ny teknolojia ankehitriny eo amin’ny fampitana sy ny fandraisana ireo fahalalana momba ny siansa isan-karazany sy ny fanarahana ny zava-misy miseho eran-tany. Izany rehetra izany dia fehezina amin’ny 4 C (Conscience, Compétence, Compassion, Commitment) izay tarigetran’ny fanabeazana zezoita maneran-tany, handrefesany ny fitomboany manontolo, hamantarany ny tenany, hialany amin’ireo sakana isan-karazany (blocages et crises) ary hananany fahazakantena tsikelikely (autonomie). Père Directeur