St Michel

ANKETSA (Premier Cycle)

Tamin’ny taona 1982, tao aorian’ny nananganana indray ny trano vaovao, dia ny kilasy 4è, 5è, 6è no teto @ Fokontany Afovoany (Anketsa ankehitriny), ary F. FAZIO no nitantana teto. Ny kilasy 3è dia mbola niaraka tamin’ny Fokontany Atsimo (Vohitraivo ankehitriny) izay notantanan’I P. Morterol.

Ny taona 2013 no nanomboka nisy zazavavy teto amin’ny FOKONTANY ANKETSA, fa ny kilasy faha6 ihany. Ny fokontany Anketsa no ivon’ny KOLEJY MASINA MISELY. Izy no trano tranainy indrindra, 130 taona, ary ao amin’ny “Cour d’honneur no voasoratra ny teny fanevan’ny Kolejy “Miorim-paka hanasoa olona” sy ny fanafoizan-teny ny teny faneva zezoita “AMDG” (Ad Majorem Dei Gloriam”, na hoe Ho an’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe indrindra) Avy ao Andoharano dia mifindra ato ANKETSA ny ankizy. 

Tontolo vaovao miaraka amin’ireo voaray hiditra 6è avy any amin’ny sekoly ivelany no mandray azy. Efa-taona feno no hanovozan’izy ireo fanabeazana feno ara-batana, ara-tsaina sy ara-panahy ary ara-piarahamonina. Toy ny ketsa dia tanimbary efa milamina no handraisana azy ireo. Beazina isan-tarika izy ireo mba hahay miray hina sy mifanampy, hanantanteraka sahady ny hoe “Miorim-paka hanasoa olona”. Ato Anketsa izy ireo no miaina ny fotoana fiampitana avy amin’ny maha-ankizy mankamin’ny maha-tanora ara-batana, aran-tsaina, aram-panahy sy ara-piarahamonina.

Teny faneva “Fanajana – Fahamarinana – Fahatsorana” no fototry ny fanabeazana haha-olona azy ireo ato Anketsa. Manaja tena sy ny hafa, manao ny marina, ary tsotra, eo amin’ny teny sy fihetsika na eo amin’ny fifandraisan’ny samy ankizy, na amin’ny Ray aman-dreny sy mpanabe. Isan-tarika koa anefa dia manana ny teny iainany izay io ambaran’ny lokon’ny ankanjo mampiavaka azy ireo. MANGA : midika ho Fahafahana (liberté) ho an’ny 6ème, zandriny indrindra ato Anketsa. Mbola vaovao izy ireo, vaovao avokoa ny tontolo, mpampianatra, namana, ny fifandraisana…. ka beazina izy ireo ho afaka amin’ny tahotra isan-karazany ary ho afaka hanome ny tsara indrindra avy aminy.

MENA : midika ho Fahafoizan-tena (Volonté) ho an’ny 5ème ; afaka tamin’ny tahotra dia sahisahy mahafoy tena. Mitaiza ny sitrapo sy hahafoy tena hanao tsara kokoa ny fianarana sy fibeazana atolotra no hitaizna ny kilasy faha 5. MAITSO : midika hoe mitaiza ny “maha izy” ny tena (Personalité) ho an’ny 4ème. Efa hita soritra ny toetra sy ny vatana mampiavaka azy amin’ny hafa. Ny fikoloana ny “maha izy” ny tsirairay no anabeazana io tarika io. MAVO : midika ho fandraisana andraikitra (Responsabilité) ho an’ny 3ème. Kilasy mamarana ny ato Anketsa. Zoky ka itokiana azo hametrahana andraikitra ary manana adidy eo anatrehan’ireo zandriny. Nanomboka ity taom-pianarana 2018-2019 ity dia nosokafana ny kilasy 6èV satria hita fa maro be ireo mpianatra avy any ivelany tokony ho tafiditra nefa noho ny tsy fahampian’ny toerana dia tena voafetra ny azo raisina. Hitombo kilasy iray fanampiny araka izany isan-taona ny 5è, 4è, 3è.

Ny isan’ny mpianatra eto ANKETSA 2018-2019 dia 836 izay mitsinjara toy izao :

  • Division 6è : LAHY 168, VAVY : 81
  • Division 5è : LAHY 147, VAVY : 68
  • Division 4è : LAHY 146, VAVY : 51
  • Division 3è : LAHY 128, VAVY : 47
 

Ny isan’ny mpampianatra : 45 Ny mpandraharaha : Sekretera : 1 Mpanadio ny fokontany : 2
Misy ihany koa ny “activités parascolaires” izay hitaizana ny ankizy ny Alarobia hariva sy ny Asabotsy maraina. TARANJA ISAN’NY MPIANATRA ART CULINAIRE 143 BRODERIE ET COUTURE 19 ART PLASTIQUE 45 DANSE MODERNE 11 DANSE SPORTIVE 32 KABARY 4 GUITARE 67 THEATRE/FRANCAIS/LECTURE 25 PIANO 63 MATHEMATIQUES 34 ANGLAIS 41