St Michel

FOKONTANY ANDOHARANO : NANAO FISITAHANA MASINA TAO ANALAMAHINTSY IREO MPIANATRA.

Fisitahana masina na “Recollection” nataon’ny mpianatra eto anivon’ny Kolejy Masina Misely, izay ao amin’ny fokontany Andoharano na Primaire, teny Analamahitsy-Antananarivo no nanatanterahana izany, tao amin’ny « Maison Saint Joseph » tamin’ity taom-pianarana 2024.

 

Ny herinandron’ny 7 Oktobra 2024, nandeha isaky ny “niveau” ny fanatanterahana izany ka toy izao manaraka izao ny lamina napetraka : 11ème 7 Oktobra, 10ème 8 Oktobra, 7ème 9 Oktobra, 9ème 10 Oktobra, 8ème 11 Oktobra, izao no natao dia mba ho fitondrana am-bavaka hiatrehana ny taom-pianarana vaovao. Marihina fa isaky ny fiandohan’ny taom-pianarana no anaovana ny fisitahana masina ataon’ny mpianatra